Anatin’ny fanamby napetraky ny fitondràmpanjakana sy ny Ministeran’ny Fahasalamambahoaka, ny hametrahana rafipahasalamana matanjaka sy ary fitaovana ny fanolorana mitentina antapitrisany maro avy amin’ny AIEA (Agence Internationale de l’Energie Atomique), ary ho fanohizana ny ady amin’ny Covid-19. Tsy mijanona amin’ny ady amin’ny Covid-19 ihany, fa eo amin’ny fanaraha-maso sy ny fifehezana ireo valan’aretina izay miteraka olana ho an’ny vahoaka no ampiasana ireo fitaovana eny anivon’ny laboaratoaram-panjakana ireo.
Hisitraka izany ireo laboratoara any amin’ny faritra toy ao Toamasina sy Nosy Be, ho fanampin’ny Laboratoires d’Analyses Médicale na LA2M eto Antananarivo, ka hiampaka mivantana any amin’ny vahoaka malagasy.
Sary sy Fanadihadiana: SCM/MSANP