Ho fampahafantarana ny lalàna misy momba ny ady atao amin’ny fifohana sigara sy ny fihinanana paraky dia nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny teto anivon’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka tamin’ny alalan’ny Dr RAVELOJOELIANDRIALBELOARITAFIKA Aurélien, Talen’ny OFNALAT na “Office National de Lutte Antitabac” andoany 1 Oktobra 2020.
Tao aorian’ilay fifanarahana lasitra momba ny ady atao amin’ny fifohana sigara sy fihinana paraka ny taona 2004 dia namolavola lalàna maromaro mahakasika izany ady izany ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka.
Anisan’izany lalàna izany ny fandraràna ny dokam-barotra ny vokatra avy amin’ny paraky eto Madagasikara, eo ihany koa ny fandraràna ny famarotana sy ny mampivarotra paraky sy sigara zaza latsaky ny 18 taona. Heloin’ny lalàna ny mivarotra tsy ara-dalàna ny paraky sy sigara osoka satria ny fonona paraky sy sigara amidy eto Madagasikara dia tsy maintsy ahitana sary sy hafatra ara-pahasalamana avy amin’ny Ministeran’ny fahasalamana. Mahavoasazy ihany koa ny mifoka sigara eny amin’ny toerana ifamezivezen’ny olona toy ny toeram-piasana,sy ny fiara fitanteram-bahoaka.
Tena mitera-doza eo amin’ny fahasalamana ny paraky sy ny sigara ary tsy ireo mpifoka ihany anefa no misedra izany satria 8 tapitrisa isan-taona no maty noho ny fifohana sigara manerantany, raha toa ka 8300 ho an’ny Madagasikara manokana. Manentana ny tsirairay araka izany hirotsaka bebe kokoa amin’ny fanatsarana ny paikady mahomby amin’ny ady atao amin’ny fifohana sigara sy fihinanana paraky satria ny ady atao amin’ny fifohana sigara sy fihinanana paraky dia andraikitro, andraikitrao, andraikitsika amin’ny alàlan’ny fanajana ireo lalàna efa mipetraka ireo.
Ao aorian’izao fampahafantarana izao dia hiroso amin’ny fanasaziana sy ny fandraisana fepetra ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiaramiombonantoka aminy raha mbola misy minia mandika ny lalàna.
Fanadihadiana: SCM/MSANP