Tsy manao ambanin-javatra ny ady amin’ny « Covid-19 », ny Fitondram-panjakana Malagasy sy ny Ministeran’ny Fahasalamamam-bahoaka ary ireo Mpiaramiombonantoka aminy. Porofon’izany, maska na arotava miisa 100.000 no natolotry ny Masoivoho Koreanina Tatsimo izay miasa sy monina eto amintsika ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka omaly 22 Septambra 2020 teny amin’ny « CCO Ivato ». Fanampiana andiany faha efatra izy ity hatramin’izay niatombohan’ny ady amin’ny valanaretina coronavirus teto amintsika izay.
Nambaran’ny Masoivoho koreana Tatsimo, SEM Lim Sang-Woo fa mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ny Firenena roa tonta ary tsy adinony ny niarahaba an’i Madagasikara izy nahatohitra ny valanaretina « covid-19 ». Nampanantena izy fa eo hatrany ny Firenena Koreana, ary vonona ifanohana sy ifanome tanana amin’ny Vahoaka Malagasy.
Andriamatoa Ministry ny fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis, sy andriamatoa Minisitry ny Raharaham-bahiny, Dr TEHINDRAZANARIVELO Djacoba, notronon’ andriamatoa Mpandrindra Nasiônalin’ny CCO, Jeneraly Elack ANDRIANKAJA no nisolotena ny Fitondram-panjakana malagasy no nandray tamin’ny fomba ôfisialy ireo fanomezana ireo.
Nanambara andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny lahateny izay nataony fa natao indrindra hanamafisana ny fiatrehana ny ady amin’ny « Covid-19 » ireo fanomezana ireo. Ho zaraina amin’ ireo Tobimpahasalamana fototra eto Madagasikara, indrindra any amin’ireo faritra lavi-dalana. Nomarihany ihany koa fa na dia efa mihena aza ny tahan’ny fihanaky ny valanaretina dia tsy maintsy tohizana sy hamafisina hatrany ny fiarovana sy fahamailona ara-pahasalamana manoloana izany.
Nisaotra sy nankasitraka ny Firenena Koreana Tatsimo ny tenany ary nanamafy hatrany ny fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Firenena roa tonta.
Fanadihadiana: SCM/MSANP