Nandray ny ambasadaoro Amerikanina sy ny Tale Jeneralin’ny USAID Madagasikara ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis, androany 21 Septambra hariva. Nivoitra nandritra ny dinika ny fijerena ireo fiaraha miasa efa nisy hatrizay eo amin’ny roa tonta sy ny fitohizany.
Ao anatin’izany fiaraha miasa izany ny fanohanan’ireo mpiara miombon’antoka ny lafiny teknika sy ara-bola amin’ny alalan’ireo tetikasa maro iarahana amin’izy ireo.
« Ny fandalovan’ny valan’aretina CORONAVIRUS dia lesona iray hoan’ny sehatry ny Fahasalamana handraisana fomba vaovao ho fandrafetana ny tetik’asa izay tokony hisy fiatraikany mivantana ary eo noho eo » hoy Andriamatoa Minisitra
Noho izany dia nanambara Andriamatoa Minisitra fa na dia ireny toerana atao hoe lavitra ireny dia tokony hisitraka ny fiaraha miasa amin’ireo mpiaramiombonantoka rehetra.
 
Sary sy Fanadihadiana: SCM/MSANP