Olona miisa 1109 avy amin’ny fokontany 03 teto amin’ny boriborintany faha-03 no nisitraka ny Vatsy Tsinjo izay ahitana : vary 50kg, menaka 02 Tavoahangy, ronono mandry 02 boaty, voamaina 2kg 500 ary CVO, Androany 01 Septambra 2020.

Fizarana andiany faharoa izay nandraisan’ny avy eto amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka anjara.

Tonga nijery ifotony sy nanara maso ny fizotrin’ny fizarana ireto vatsy ireto ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Profesora Hanitrala Jean Louis RAKOTOVAO, niaraka tamin’ny solombavam-bahoaka voafidy teto amin’ny boriborintany faha-03.

Nandritra ny lahateny izay nataony no nanehoan’Andriamatoa Minisitra ny fisaorana ireo vahoaka tonga nisitraka ireto vatsy tsinjo ireto ny amin’ny filaminana sy fanarahan’izy ireo ireo fandaminana napetraka.

Hitantsika hoy Andriamatoa Minisitra fa midina ny isan’ireo tranga vaovao, « nefa tsy midika izany hoe ho vahantsika ny « gestes barrières » rehetra fa tsy maintsy hamafisintsika »

Nandritra ny resaka nifanaovany tamin’ireo mpanao gazety dia naneho ny fisaorana ireo namana rehetra niara-niasa izay nahitana ny avy eo amin’ny boriborintany sy ny ekipan’ny solombavam-bahoaka Anyah ary ny mpiasan’ny fahasalamana manerana ny Nosy, Andriamatoa Minisitra. Namafisiny ihany koa fa tsy mbola mijanona ny ady fa vao maika ampitomboina ny fahazotoana, ny fitiavana.

Sary sy Fanadihadiana: SCM/MSANP