NANAO NY FIHAONANA ARAK’ASA FAHAROA TAMIN’NY MPIARAMIASA AMINY I PR. RAKOTOVAO HANITRALA JEAN LOUIS, MINISITRA NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
Napetraka nandritra ity fihaonana ity ny 31 Aogositra 2020 lasa teo ny toromarika nomen’i Pr. RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis, Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ahatonga ireo asa rehetra hataon’ny tomponandraikitra eto anivon’ny ministera ho tsy maintsy ahitam-bokany, indrindra ireo misy fiatraikany mivantana amin’ny vahoaka. Ny fanarahana ny « Politique Quick Win » no fomba fiasa amin’ny alalan’ny fandaminana anatiny :
– Ny aty amin’ny foibe : handrindra ny fironana na « orientation » sy fitadiavana ireo entimanana na « mobilisation des ressources » ary fanohanana ny faritra ;
– Ny any amin’ny faritra : hanohana ny distrika
Ny fanatsarana hatrany ny fanatanterahana asa no tanjona ary ho tohizana ny fampiasaina ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisana hahafahana manafaingana ny serasera.
Vaindohandraharaha ihany koa ny fanatsarana ny fitantanana ka ankehitriny dia ahena ny isan’ireo hetsika hatao any amin’ny toerana mora handehanana.
Nandritra ity fihaonana ity koa no noresahana misimisy kokoa ny « Couverture Santé Universelle » na CSU ka hijerena ireo « cadre institutionnel » ahafahana manamora ny fandraisan’anjaran’ireo ministera hafa amin’ny fanatrarana ny CSU. Tsy adino koa ny « Caisse Nationale de Solidarité pour la Santé » na CNSS ary nandraisana fanapahankevitra niatrehana ny olana nisy toy ny fijerena ny andintsoratra mifehy, ny fandaminana anatiny sy ny sisa.
Niroso avy hatrany tamin’ny fihaonana arakasa hafa tamin’ny Sekretera Jeneraly ny tomponandraikitra maro ho fanatanterahana ny fanapahakevitra noraisina.
Ho an’ny Fahasalamana,