Anisan’ny laharam-pahamehana eto anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamana ny fampitaovana ireo tobim-pitsaboana rehetra eto Madagasikara.
Ny harivan’ny 22 Aogositra 2020, ny avy eo anivon’ny « RAVINALA Aiports » sy ny « Association Souffle Santé Développement » ary ny « Fondation Raoul Follereau », dia nanolotra fitaovana fitsaboana ny aretin’ny taovam-pisefoana toy ny « respirateur » sy « concentrateur d’oxygène ». Izy ireo dia hanampy ireo fitaovana efa misy eny anivon’ireo Hopitalim-panjakana.
Anisan’ny manampy betsaka amin’ny fiatrehana ny valan’aretina CORONAVIRUS ny fananan’ireo tobim-pahasalamana fitaovana toy itony.
Misy ampahany amin’ireo fitaovana voaray ireo moa no halefa any Nosy Be, ahafahana miatrika ny anjara adidy sy andraikitry ny Ministera ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny programan’ny fanjakana foibe sy hifehezana ny valan’aretina ary hiarovana ny mpandeha sy ny vahoaka Malagasy ny amin’ny fisokafan’ny sidina iraisam-pirenena any amin’ity faritra ity.
Ankoatra ireo fitaovam-pitsaboana ireo dia nisy ihany koa ny tolotanana avy amin’ny Association Raoul Follereau, izay nahitana « Equipement de Protection Individuel » natolotra ny Ministera, ho ampiasain’ireo mpiasan’ny fahasalamana hiatrehana ity ady amin’ny CORONAVIRUS.
Tonga nandray ireto fitaovana ireto teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Sekretera Jeneraly ny Ministera ny Fahasalamam-bahoaka Prof SOLOFOMALALA Gaëtan Duval notronin’ny Sekretera Jeneraly ny Ministera ny Fitaterana sy ny Fizahantany ary ny Famantarana ny Toetr’andro.
Sary sy fanadihadiana : SCM MSANP