« Mitohy ny ady ataontsika amin’ny Covid-19, na dia misy fihatsarana aza » hoy Andriamatoa Minisitra raha nanomboka ny fandraisany fitenenana, izay nitondrany fisaorana ny Orinasa SALAMA tamin’ny nanoloran’izy ireo fanampiana ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka androany Talata 25 Aogositra 2020, teto Ambohidahy.
Nohamafisiny ihany koa fa ady iombonana izy ity, ary aoka samy handray izay tandrify azy ny tsirairay, amin’ny fanarahana ireo fepetra rehetra noraisin’ny Fitondram-panjakana. Anisan’izany ny fanajana ireo « gestes barrières ».
« Zava-dehibe izao fanomezana fanafody avy amin’ny orinasa SALAMA izao satria mbola misy ireo marary mila izany, ary tsy maintsy mipaka any amin’ny vahoaka ireo fanafody ireo…manentana ny tsirairay avy hanao ny tandrifiny sy hanaraka ireo fepetra rehetra, ka tsy ho ela dia ho resintsika izany coronavirus izany » araka ny nambaran’ Andriamatoa Minisitra hatrany.
Malagasy mifanohana, mandresy ny coronavirus
#Arovy_ny_tenanao
#Arovy_koa_ny_hafa
#Zarazarao
Sary sy fanadihadiana: SCM/MSANP