Mpitsabo 15, mpitsabo mpanampy miisa 16 avy eny amin’ny CHU sy ny CHRD II no nifampizara traikefa mahakasika ny asa fitsaboana ny ankizy manoloana ny Covid-19 tao amin’ny Solimotel Anosy ny 17 aogositra ka hatramin’ny anio 21 aogositra 2020. Ny Ministeran’ny Fahasalam-bahoaka sy ny SOMAPED (Société Malgache de Pédiatrie) no nitondra ny traikefany ho fanatsarana hatrany ny fandraisana an-tanana ny zaza marary misy fahasarotany eny amin’ny hopitaly. Fanao mahazatra ny SOMAPED izao hetsika izao ary ny teto Antananarivo no vita fa mbola hitohy any amin’ny faritra amin’ny volana Septambra 2020 raha ny nambaran’i Pr Annick Lalaina ROBISON Filohan’ny SOMAPED.

Malagasy mifampitsinjo, mandresy ny coronavirus