Otrikaretina mampidi-doza ny tazomoka ary tsy maintsy tsaboina haingana mba hisorohana ny mety ho voka-dratsiny sy ny famoizana aina. Olona iray tapitrisa no fantatra fa voan’ny tazomoka nandritra ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona 2020 ity, ary 600 ireo olona namoy ny ainy.
Ny fitsaboana haingana no hampihena fatratra ny fihombon’ny aretina vokatry ny tazomoka. Izay no maha zava-dehibe ireo fitaovana fanaovana fitiliana haingana miisa 2,3 tapitrisa ireo.
Ahitana “combinaison thérapeutique à base d’artémisinine” na ACT miisa 2 tapitrisa ihany koa ireo fanomezana ireo. Vao fantatra araka izany fa tratry ny tazomoka ny olona iray ao aorian’ny fitiliana, dia afaka tsaboina soa aman-tsara amin’ny alalan’ireo fanafody ireo.
Ankoatra izay dia mbola ahitana fanafody sy fitaovana itsaboana ny trangana tazomoka misy fahasarotana, fanafody isorohana ny tazomoka ho an’ny vehivavy bevohoka, ary fonon-tanana ho an’ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana mandritra ny fotoana anaovana ny fitiliana ny tazomoka, ihany koa ireo fanomezana ireo, izay mitentina 1,8 tapitrisa dolara amerikana.
Marihina moa fa ny tetikasa ara-pahasalamana « IMPACT », izay vatsian’ny « USAID », no miara-miasa amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fitsinjarana manerana ny Nosy ireo kojakojam-pitsaboana ireo. Tanjona amin’izany ny hahazoana antoka fa misy ary afaka ampiasaina ny fitaovana sy ny fanafody amin’ny fotoana sy ny toerana rehetra ilana izany.
Tsara ho fantatra fa ankalazaina androany 20 Aogositra ny Andro Iraisam-pirenena Iadiana amin’ny Moka izay nosafidianina manokana anaovana izao filazana izao.
#Malagasy_tsy_ho_fatin_ny_tazomoka
#MSANP #USAID_IMPACT #PNLP
#Zarazarao
Fanadihadiana: SCM/MSANP
Sary: USAID IMPACT