ADY AMIN’NY CORONAVIRUS
MADAGASIKARA MIATRIKA NY CORONAVIRUS
Tsy mikely soroka ny Ministeran’ny fahasalamambahoaka sy ireo mpiaramiombonantoka amin’ny fiatrehana ny ady amin’ny valanaretina Covid-19.
Isan’ireo mpiaramiasa akaiky ny Ministera ny AOI (Aide Odontologique Internationale), izay nanolotra andiam-pitaovana fiarovana, toy ny « surblouse », « calots », « visière », arotava sy maro hafa, mitentina 10 000 000 Ariary, ary hisitraka izany ny tobimpahasalamana vitsivitsy eny amin’ny faritra Vakinankaratra, Analamanga, Itasy ary Betsiboka.
Nandray izany ara-pomba ofisialy, Andriamatoa Talen’ny Kabinetra, nisolo tena an’Andriamatoa Ministra, teo amin’ny efitrano fivorian’ny Ministera, tao Ambohidahy.