Manao tohi-vakana ny fandraisana fanampiana avy amin’ireo malala-tanana sy mpiaramiombonantoka amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
« Flacon de gel hydroalcoolique » miisa 21.000, « visière de protection » miisa 2150 no natolotry « Orange solidarité » sy ny « SOS Village des enfants » ho an’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka omaly 13 Aogositra 2020 teny amin’ny CCI Ivato. Marihina moa fa fanampiana fanintelony nataon’izy ireo izao, ao anatin’izao ady iraisana atrehantsika handresena ny valanaretina « coronavirus » eto Madagasikara izao.
« Amin’izao andro mafy izao no tena ahafantarana hoe iza no tena namana » hoy andriamatoa Minisitra nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety ary nitondrany ny fisaorana ny mpanome amin’ny anaran’ny Fitondrana malagasy sy ny Governemanta manontolo. Nanamafy hatrany izy fa atao mangarahara ny fitantanana ireto fitaovana ireto ary hipaka any amin’ireo olona hampiasa azy.
Malagasy mifanohana, mandresy ny « coronavirus »
#Zarazarao
Fanadihadiana : SCM/MSANP