« Masque chirurgical 3 plis » 75.000 isa, « Gel hydroalcoolique 500 ml » 30.000 isa, Thermomètre frontal infrarouge » 200 isa, « Combinaison jetable blanche » 2.800 isa no natolotry ny « ONG Direct Aid » avy any koweït, ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka androany 07 Aogositra 2020 teny amin’ny CCI Ivato.

Nisolotena ny Fitondram-panjakana Malagasy nandray izao fampitaovana izao, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Mpandrindra ny CCO Ivato.

Nandritra ny tafatafa tamin’ny mpanao gazety no nitondran’ Andriamatoa Minisitra ny Fahasalamam-bahoaka ny fisaorana ny « ONG Direct Aid » ary nanantitrantitra mafy izy fa ho ampiasaina araka ny tokony ho izy ireto fitaovana ireto.

Fanadihadiana: SCM/MSANP