Matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny AMADIA.
« Glucomètre » 40 isa izay hampiasaina eny anivon’ireo « CSB II » sy ireo Toeram-pitsaboana mandray an-tanana ny « Covid-19 » eto Antananarivo sy ny manodidina no natolotry ny AMADIA ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka androany tolakandro teto Ambohidahy.
Natao izao hahafahana mitily mialoha ireo olona diabetika eny anivon’ny Tobim-pitsaboana fototra sy manara-maso akaiky ny fahasalaman’izy ireo, hisorohana ireo tranga misy fahasarotana izay mety hitarika hatrany amin’ny fahafatesana.
Ny olona diabetika moa dia voasokajy ho isan’ireo olona marefo ka ilàna fikarakarana manokana, manoloana izao valanaretina coronavirus izay mamely firenena maro manerantany izao.