TRANGA TSY MISY FAHASAROTANA (Forme simple):
Tsaboina eny anivon’ny CSB II (Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina) sy eny amin’ny CMC-19 Andohatapenaka ary arahi-maso any an-trano (traitement ambulatoire).
FANAMARIHANA : Ny eny Anivon’ny « CMC-19 » Andohatapenaka, dia mandray an-tanana vonjimaika ihany koa ireo olona maneho tranga misy fahasarotana (Forme modérée, Forme grave) ary mandefa azy ireo any amin’ny « CTC-19 » na « CHU ».
————————————-
« FORME MODEREE» :
Ampidirina ka tsaboina any amin’ny:
CTC-19 : Ivato (MINING BUSINESS CENTER), Palais des Sports Mahamasina,
CHRD : CHRD Anosiavaratra, CHRD Itaosy, CHRD Ambohimangakely,
CHRD Bongatsara, CHRD Andramasina,CHRD Mahitsy.
————————————-
TRANGA MISY FAHASAROTANA (Forme Grave)
Ampidirina ka tsaboina eny anivon’ny Hôpitaly Lehibe:
CHU Anosiala
CHUJRA Ampefiloha
CHUJRB Befelatanana,
CHU Andohatapenaka
CHU Fenoarivo,
HOMI Soavinandriana
————————————-
VEHIVAVY BEVOHOKA : CHU GOB Befelatànana
————————————-
ZAZA LATSAKY NY 15 TAONA :
CHUMEA Ambohimiandra
CHUMEA Tsaralalàna (Hopital des enfants)
————————————-
TOERANA AFAKA HANATONANA MIVANTANA HO AN’IREO OLONA MISY SORITR’ARETINA HANAO FITILIANA (PCR)
CMC-19 Andohatapenaka
CHUJRB Befelatanana
CHUJRA Ampefiloha
FANAMARIHANA :
Ny eny Anivon’ny « CMC-19 » Andohatapenaka dia toeram-pangalana singa fotsiny ihany, noho izany tsy mamoaka valim-pitiliana.
Ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina « Covid-19 » taorian’ny fitiliana natao azy dia mahazo antso na « sms » miampy toromarika avy amin’ny « Plateforme ».
HIALANA AMIN’NY FIVEZIVEZENA IZAY MAMPITOMBO NY FIPARITAHAN’NY ARETINA DIA TSY MISY INTSONY NY FAMOAHANA « ATTESTATION » MIKASIKA NY VOKATRY NY FITILIANA « PCR », FA NY « SMS » AVOAKAN’NY « PLATEFORME » DIA MAHASOLO IZANY.
Loharanom-baovao: DGMP, DGFS_MSANP
Fanadihadiana: SCM/MSANP