Madagasikara miatrika ny « coronavirus ». Vonona ary mandray anjara mavitrika amin’izany ihany koa ny « CHU Gynécologie Obstétrique Befelatanana ». Porofon’izany, efitrano maromaro no nasiana fanavaozana teo anivon’ity Toeram-piterahana anisan’ny lehibe indrindra eto Madagasikara ity.
Izany dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny UNFPA. Ireo efitra ireo dia natao handraisana ireo vehivavy misy soritraretina, na efa voamarina fa voan’ny aretina « COVID-19 » tonga manatona io toeram-pitsaboana io. Natao ihany koa izao fanavaozana izao hisorohana ny fihanaky ny valanaretina « COVID-19 » amin’ireo vehivahy bevohoka tonga hiteraka eny an- toerana.
Marihina etoana fa ny vehivavy bevohoka dia voasokajy ho isan’ireo olona marefo ka mora handairan’aretina, noho izany mila fitandremana manokana izy ireo.
Ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny UNFPA dia miezaka mandrakariva manatsara ny fahasalaman’ny vehivavy sy ny tovovavy mba hampihenana ny isan’ireo reny maty eo am-piterahana.