Tsy mandry andro, tsy mandry alina ireo mpiasan’ny fahasalamana mandray an-tanana ireo olona mararin’ny « covid-19 » misy soritr’aretina izay tonga manatona mivantana na alefan’ny Tobim-pahasalamana fototra eny an-toerana.

Mpiasan’ny fahasalamana avy any amin’ireo foibe sy sampan-draharaha maro eto anivon’ny ministera no mifanome tanàna amin’izany.

Fizaham-pahasalamana, fangalana singa « prélèvement » hanaovana « Test PCR », fizarana fanafody, fandraisana an-tanana vonjy maika ireo tranga misy fahasarotana, fitaterana ireo tranga misy fahasarotana hamonjy toeram-pitsaboana lehibe (Hôpitaly) no anisan’ireo asa sahanin’izy ireo.

Matotra ny fandaminana, mizotra an-tsakany sy an-davany ny asa. Araho an-tsary ary ireo zava-misy eny an-toerana.

  

  

   

  

Malagasy mifanohana, mandresy ny « coronavirus ».