HO ANTSIKA IZAY MONINA ETO ANTANANARIVO RENIVOHITRA SY NY MANODIDINA KA MISY SORITR’ ARETINA « COVID-19 », hisorohana ny tranga misy fahasarotana sy hanamoràna ny fandraisana an-tanana antsika, entanina isika hanatona avy hatrany ireo Tobim-pahasalamana Fototra (CSB II) manaraka ireto.
ANTANANARIVO-RENIVOHITRA (18)
Ireo CSB II rehetra izay miisa 18
ANTANANARIVO ATSIMONDRANO (04)
- Csb II Andoharanofotsy
- Csb II Tanjombato
- Csb II Fenoarivo
- Csb II Itaosy Cité
ANTANANARIVO AVARADRANO (05)
- Csb II Ambohimangakely
- Csb II Ambohimanambola
- Csb II Alasora
- Csb II Ankadikely Ilafy
- Csb II Sabotsy Namehana
FANAMARIHANA :
Aoka isika hanaraka an-tsakany sy an-davany ny fandaminana eny anivon’ireny Toeram-pitsaboana ireny.
Anjaran’ny mpitsabo no manao ny fizaham-pahasalamana antsika ary manoratra ny fanafody izay mifandraika amin’izany.
Maimaimpoana ny fizahana sy ny fanafody hitsaboana ny « Covid-19 » eny amin’ireo Toeram-pitsaboana fototra ireo.
#Malagasy_mifanohana_mandresy_ny_coronavirus