Nanatanteraka fitiliana faobe amin’ny valanaretina « coronavirus » teo amin’ny fokontany efatra tao Isotry Manarintsoa (izay nahitana « cas contact » 16 omaly), androany ny Minisiteran’ny Fahasalamambahoaka, notarihin’Andriamatoa Minisitra, sy ireo ministera hafa mpiaramiasa.
Nisy arak’izany ny fizaràna arotava, tambavy « Covid Organics » ary savony ho an’ireo fianakaviana tao amin’ireo fokontany ireo.
Nanao antso avo ary nanamafy hatrany ny amin’ny tokony anarahana ny fepetra isorohana sy itandrovana amin’ny valanaretina Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamambahoaka, toy ny fanaovana arotava sy ny fanajàna ny elanelana 1 metatra.