Mifarimbona amin’ny fisorohana ara-pahasalamana sy fandraisana an-tanana ireo tsy salama ny mpiara-miasa rehetra eto anivon’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka.
Aty fianarantsoa ny ekipan’ny DLMNT manao tan-tsoroka hanatsaràna ny fahasalamana.
Tontosa tao amin’ny renivohitrin’ny faritra Matsiatra Ambony ny « lancement distribution CVO » hoan’ny distrika Fianarantsoa sy Lalangina, izay niarahan’ny avy eo anivon’ny DLMNT sy ny ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahehana ary ny Ministeran’ny tontolo iainana.
PCR 146 tamin’ireo mponina 148 tao Ambalavao Iboaka Lalangina izay nahitana ireo « cas confirmé » no vita.
Ny 06 Mai 2020 dia ny any amin’ny Distrikan’ny Ikalamavony indray no hisitraka izany « CVO »izany, efa tonga any antoerana moa ireo « CVO » 50 baoritra, sy ireo ekipa avy eo anivon’ny « Programme National de Lutte contre le Paludisme » sy ireo « intrants PALU »