Mitohy hatrany ny fanarahamaso ireo olona nifanerasera (contact) tamin’ireo olona voamarina fa nitondra ny tsimokaretina coronavirus tany an-toerana. Hatreto aloha dia tsy mbola nisy ny ahiahiana tamin’ireo olona izay nanaovana TDR.
Mankasitraka sy mankahery hatrany ireo mpiasan’ny fahasalamana izay tsy mikely amin’ny fitsaboana sy ny fisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina coronavirus izay misy eto amintsika.