Araka ny fantatsika rehetra dia nifarana ny Alakamisy 09 Aprily 2020 ny fotoana nahafahan’ireo olona izay nahavita fitokana-monina teto Antananarivo namonjy ny toerana niaviany.
Isaorana isika Mpiasan’ny Fahasalamana rehetra izay niparitaka nanerana ireo Tobim-piantsonana teto an-drenivohitra. Tsy nikely soroka ary lohalaharana hatrany tamin’ny fanarahamaso ny fahasalaman’ireo mpiray Tanindrazana amintsika ireo.