Tonga nitsidika ny Institut Pasteur de Madagascar ny Minisitra AHMAD Ahmad ny 08 Aprily 2020. Nijery sy nanadihady ny fomba fiasa eo anivon’ity ivotoerana ity ary ihany koa nanaraka ny fizotran’ny fanofanana ireo “Biologiste” Malagasy, ao amin’ny “laboratoire de virologie”.
Nomarihany fa ireo “Biologiste” voahofana ireo dia hiasa avy hatrany any amin’ny faritany satria efa nahazo fiofanana teorika sy pratika. Marihina moa fa mbola hitohy izao fampiofanana izao. Aorian’ireo “Biologiste” avy any Mahajanga sy Fianarantsoa ireo araka izany dia anjaran’ny “Biologiste” avy eto Antananarivo indray no hahazo fanofanana.
Miezaka hatrany ny Ministeran’ny Fahasalamana manome fahalalana sy fanofanana ireo mpiasan’ny fahasalamana izay lohalarana hatrany amin’izao fiatrehantsika ny valanaretina coronavirus izao.
Hanaraka izao fampiofanana izao ny fampitaovana ireo mpiasan’ny fahasalamana izay tsy mitandro hasasarana amin’izao adidy masina hoan’ny Firenena sy ho an’ny Mpiray Tanindrazana izao.