Tonga nitondra ny anjara birikiny ny avy ao amin’ny « Fondation Mérieux» androany 05 Martsa 2019.
Vitamina A miisa «150.000 doses» no natalotr’izy ireo tamin’izany, izay ho aparitaka eny amin’ny Tobimpahasalamana araka ny nambaran’ Andriamatoa Ministra ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. Julio RAKOTONIRINA.
Ny vitamina A dia mampitombo ny hery fiarovana ary ilaina tokoa amin’izao ady ataontsika handresena ny valanaretina kitrotro eto Madagasikara izao.